Zavatra hitan'ny lehilahy hendry iray: Angano ho an'ny Mpianatra Teny Anglisy
(A Wise Man's Discovery: A Fable for English Learners)
1 Fahiny ela be, nisy lehilahy hendry iray niaina teny amin'ny tany lemaka. Nanorina trano vaovao sy nanomboka fiainana vaovao izy sy ireo mpifanolo-bodirindrina taminy.
1 A long time ago, there was a wise man living in the Low Country. He and his neighbors had built new homes and started a new life.
2 Ny ririnin'izy ireo voalohany teny amin'ny tany lemaka dia sarotra satria maro no tsy nahavita ny tranony na nahavory ny vokany talohan'ny ririnina. Rehefa nony farany tonga ihany ny lohataona, dia fantatr'izy ireo fa tsy tokony hamboly fotsiny ihany izy ireo, fa tokony hanamboatra trano fitehirizam-bokatra ihany koa ho amin'ny fahatongavan'ny vokatra manaraka indray.
2 Their first winter in the Low Country was difficult because many had not finished their houses or harvested their corps before winter. When spring finally came, they knew that they must not only plant their crops, but they must also build a granary to store the coming harvest.
3 Niresaka betsaka ny amin'ny trano fitehirizam-bokatra izy ireo. Tamin'ny fotoana nipetrahany teny an-kavoana dia nanamboatra izany mafy izy ho fiarovana amin'ny Osy ihany. Eny amin'ny tany lemaka kosa, fantany koa mila mihevitra ny amin'ny Bera, sy ny Diera ary ny "Elan" koa izy ireo. Koa satria matanjaka ny Bera, dia mila mafy be ny tranom-bokatra.
3 They talked much about the granary. When they lived in the High Country, they only needed to build it strong enough to keep Goat out. In the Low Country, they knew they also needed to consider Bear, Deer, and Elk. Because Bear was powerful, the granary must be very strong.
4 Nisy lalam-by tranainy iray nandalo ny tànanany. Ilay masinina lehibe izay mivoha-tsetroka nampiasa io lalam-by io dia tsy izany intsony. Nisy vata vy lehibe iray misy kodiarana izay eo amin'ny làlana an-tsasan-kadiny an-tongotra eo ho eo amin'ilay lalam-by miala ny tànana. Niara-nanaiky izy rehetra fa raha io vata io no voatosika hatrao amin'ny tànana, dia mety ampiasaina ho tranom-bokatra azo antoka izany. Eny fa na dia ny Bera aza dia tsy ho afaka ny hamoha ireo varavarana vy.
4 There was an old steel road that passed by their village. The large steam-breathing machines that once used this road no longer needed it. There was a huge iron box on wheels about a half hour's walk up the steel road from the village. All agreed that if the box could be pushed to the village, it could serve as a safe granary. Even Bear could not open the strong iron doors.
5 Koa dia niezaka nanosika ilay vata vy ho any an-tànana ireo lehilahy. Nefa navesatra loatra ilay izy ka zara raha afaka nampihetsika kely izany izy ireo. Niasa mafy be ny lehilahy rehetra. Ka taorian'ny ezaka be nataony, dia nahatosika ilay vata teo amin'ny irain-jehy teo ihany izy ireo talohan'ny ilan'izy ireo miala sasatra. Koa nandritry ny roa andro dia nanosika izy ireo dia niala sasatra. Nanosika ary niala sasatra. Dia nanosika ary niala sasatra bebe indray. Nony farany dia reraka avokoa izy rehetra. "Nitaky asa kely," hoy izy ireo, "ny nanamboatra trano fitehirizam-bokatra iray tao an-tànana noho ny hanetsika ity vata vy ity".
5 So the men tried to push the iron box to the village. But it was so heavy that they could barely make it move. All the men worked very hard. After much effort, they had pushed the box only as far as the length of a man's hand before they needed to rest. For two days they pushed and rested. Pushed and rested. Then they pushed and rested some more. At last, they were all exhausted. "It would take less work," they said, "to build a granary in the village than to move the iron box."
6 Trano fitehirizam-bokatra vaovao iray no naorina tao an-tanana. Nitehirizan-tsakafo nandritry ny ririnina roa izany. Dia tonga ny hain-tany. Voa kely no vokatry ny saha. Tamin'ny fahavaratra, dia voankazo vitsy no hita tany anaty ala satria saika nalain'ny Bera ho azy samy irery avokoa ny zavatra. Nohaninh'ny Diera sy ny "Elan" izay sisa tavela. Koa satria nitandrina sy niasa mafy ny olona dia mbola nisy sakafo ho azy ireo.ihany tao amin'ny tranom-bokatra izay naharitra hatramin'ny ririnina.
6 A new granary was built in the village. It held food during two winters. And then the drought came. The fields produced little grain. In the fall, few berries were found in the forest because Bear was taking almost everything for himself. Deer and Elk were eating all that was left. Still, because the people had been careful and worked hard, the granary held enough food to last them for the winter.
7 Koa tamin'ny alina iray, taloha kelin'ny fotoana handehanan'ny Bera hatory mandritry ny ririnina, dia novakiany ny varavaran'ilay fitehirizam-bokatra. Nihinana betsaka tamin'izany sakafo izany izy. Taorian'ny nandehanan'ny Bera, dia nameno ny kibony koa ny Diera sy ny "Elan".
7 Then one night, just before Bear was ready to go to sleep for the winter, he smashed the granary door. He ate much of the food. After Bear left, Deer and Elk also filled their bellies.
8 Nandritry ny ririnina mangatsiaka sy namirifiry, raha noana avokoa ny tsirairay, dia nieritreritra ny amin'ilay vata vy eo amin'ny làlam-by indray ilay lehilahy hendry. Marina, hoy izy tapa-kevitra, fa misy fomba hahazoana manosika azy io ho ao an-tànana. Moa ny olana ve dia izy ireo tsy maintsy mijanona miala sasatra isaky ny vao avy manosika ilay vata vy tao anatin'ny elanelana fohy ? .
8 During the cold, hard winter, when everyone was hungry, the wise man thought again about the iron box on the steel road. Certainly, he decided, there must be a way to move it to the village. Was it possible that the problem had been that they had stopped to rest each time after moving the iron box only a short distance?
9 Talohalohan'ny lohataona manaraka, dia nanana tetika ilay lehilahy hendry. Naka lehilahy tanora efatra niaraka taminy ho any amin'ilay vata vy misy kodiarana izy. Samy nitondra ny apondrany avy ny tsirairay.
9 Early the next spring, the wise man had a plan. He took four young men with him to the iron box on wheels. Each man led his donkey.
10 Voalohany namatotra tady lava teo amin'ny lohan'ilay vata vy ireo lehilahy ireo. Dia nanapaka hazo avo mba hatao tsatoka ary dia nanangana izany mahitsy. Dia nanipy ilay tady teo ambonin'ny tendron'ilay tsatoka izy ireo. Farany, dia namatotra vato mavesatra be tamin'ny faran'ilay tady izy ireo. Ilay lehilahy hendry dia nahafantatra fa ilay tady dia nisarika ilay vata vy na dia tsy mbola nihetsika aza izy io. Nanaraka izany, dia namatotra ireo apondra tamin'ilay vata vy ilay lehilahy hendry mba hahazoan'ireo mitarika izany. Farany, dia nanosika mafy araka izay tratrany ilay lehilahy hendry sy ireo lehilahy tanora efatra. Nanomboka nihetsika moramora ilay vata vy.
10 The men first tied a long rope to the front of the iron box. Then they cut a tall tree for a pole and stood it upright. They threw the rope over the top of the pole. Finally, they fastened heavy rocks to the end of the rope. The wise man knew that the rope was pulling on the iron box even though it was not yet moving. Next, the wise man harnessed the donkeys to the iron box so that they could also pull. Finally, the wise man and the four young men pushed as hard as they could. The iron box slowly began to move.
11 Nefa ny tetik'ilay lehilahy hendry dia hafa amin'ny an'ireo mponina tao an-tànana. Tsy nijanona niala sasatra izy sy ireo lehilahy tanora efatra. Fa, isaky ny avy mikasika ny tany ireo vato mavesatra, dia nanohy nanosika ilay vata vy izy ireo.
11 But the wise man's plan was different from the villagers' plan before. He and the young men did not stop to rest. Instead, even after the heavy rocks had reached the ground, the men kept pushing the iron box.
12 Ilay vata vy nisy kodiarana dia nandeha araka izay niheveran'ilay lehilahy hendry azy. Arakaraky ny halavan'ny fanosehan'izy ireo, no mahahaingana ny fihetsehan'ilay vata vy. Tsy nila niasa mafy izy ireo mba hampandeha azy raha vao nanomboka nihetsika izy io.
12 The iron box on wheels did just what the wise man thought it would. The longer they pushed, the faster the iron box moved. They did not need to work as hard to keep it rolling once it began to move.
13 Fantatr'ilay lehilahy hendry fa raha miara-miasa ny lehilahy rehetra tao an-tànana, dia afaka manetsika ilay vata vy ho ao an-tànana izy ireo. Fantany fa mila miasa mafy avokoa izy rehetra mba hahatonga ilay vata vy hihetsika . Ka raha vao mihetsika io dia afaka miala sasatra ny sasany fa ny sasany hafa kosa manosika. Raha tsy mijanona izy ireo, dia afaka manosika ilay vata vy tsimoramora ho ao an-tànana izy ireo.
13 The wise man knew that if all of the village men would work together, they could move the iron box to the village. He knew that they would all need to work very hard to get the iron box to start moving. Then once it was moving some could rest and others could push. If they did not stop, they could slowly move the iron box to their village.
14 Ny taona manaraka, ny sakafon'izy ireo dia tsy ho azon'ny Bera.
14 The next year, their food would be safe from Bear.
15 Raha vao manomboka mianatra teny Anglisy amin'ny alalan'ny Spoken English Learned Quickly ianao, dia fantatrao fa ny fianarana fiteny hafa rehetra dia sarotra. Mety hianatra mafy ianao mandritry ny herinandro roa na telo ary toy ny tsy misy zava-mitranga. Kanefa, ny mianatra miteny Anglisy dia mitovy amin'ny manosika fiara mavesatra amin'ny làlam-by. Mitaky ezaka be izany amin'ny voalohany. Nefa raha mikiry minatra hatrany ianao, dia hahita fandrosoana hatrany hatrany.
15 If you are beginning to study English with Spoken English Learned Quickly, you know that learning any language is difficult. You may work hard for two or three weeks and it will seem like nothing is happening. However, learning to speak English is much like pushing a heavy car on a railroad track. It will take much effort at first. But if you keep working, you will see more and more progress.
|
Spoken English Learned
Quickly
|
A Wise Man's Discovery
|
| Copyright 2004 Spoken Language International (www.FreeEnglishNow.com): A Wise Man's Discovery may be reproduced without written permission provided that it is unaltered and carries this copyright notice in full with the web site address. It may be reproduced in a single language. |